Sarintany 5G

Сотовые сети 5G в мире

no signal icon

st update :

Ahoana ny fiasan'ny sarintany nPerf?

Avy aiza ny rakitra?

Ny rakitra voangona tamin'ny andrana dia azo avy amin'ny fampiasana nPerf. Ireo andrana ireo mantsy dia mamoaka ny rakitra marina teny an-toerana. Raha te hananadrana izany koa ianao, dia manasa anao izahay hampiasa ny nPerf amin'ny findainao. Rehefa maro ny rakitra voatahiry, vao mainka azo vakina ny sarintany!. Ireo andrana voaray rehetra dia aseho amin'ny sarintany avokoa. Ny masontsivana rehetra kosa dia ampiharina mialohan'ny fikajiana sy famoahana azy.

Ahoana ny fanoavana ny fanavaozana?

Ny sarintany fandrakofana dia mihavao isan'ora amin'ny alalan'n'y bot. Ny sarintany momba ny hafainganana dia mihavao isahy ny 15 minitra. Ny tahirin-kevitra dia miseho mandritra ny roa taona. Aorian'ny roa taona, ny rakitra tranainy dia voafafa amin'ny sarintany isam-bolana.

Hatraiza ny maha azo antoka sy maha marina azy?

Nandramana tamin' ireo fitaovan'ny nampiasa azy. Ny fahamarinan'ny toerana nanaovana ny andrana dia miankina amin'ny hatsaran'ny famantarana GPS tamin'ny nanaovana ny andrana. Ho an'ny fandrakofann'ny tanjaka, notazomina izay tsara indrindra amin'ny fahamarinan'ny toerana manodidina ny 50 metatra. Ary ny download bitrate, io refy io dia mety hatrany amin'ny 200 metatra.

Ahoana ny hahazoako mihazona ny rakitra rehetra?

Moa ve ianao mitady ireo rakitra ny fandrakofana na ny andrana nPerf (bitrate, fe-potoana, browsing, rakin-tsary streaming) amin'ny endrika CSV mba ahafahanao hampiasa araka izay tianao? Tsy misy olana! Mifandraisa aminay raha mila tombam-bidy.

Misy fitaovana PRO ho an'ny fijerena momba ny sarintany ve?

Eny. Ity fitaovana ity dia natao indrindra hoan'ireo tambajotra. Nampidirina ao anaty cockpit efa misy izay efa misy antontan'isa fampiasa amin'ny Internet avy amin'ireo tambajotra rehetra ao amin'ny firenena iray, ary koa ny fahazoana ny valin'ny fanandramana ny hafainganana sy ny angon-drakitra fandrakofana. Ireo angon-drakitra ireo dia azo sary an-tsaina tamin'ny fampiasana ireo sivana teknolojika (tsy misy fandrakofana, 2G, 3G, 4G, 4G +, 5G) mandritra ny fe-potoana miovaova (ohatra: 2 volana lasa ihany). Fitaovana afahana manara-maso ny fampielezana ny teknolojia vaovao, hijerena ireo mpifaninana ary mamantatra ireo faritra kely ny fandrakofana.

Ahoana ny mahakasika ny fandrakofan'ny nPerf 5G ny sarintaninao?

Ny fiantsoana azy dia tsy mitovy amin'ny sarintany taloha navoakan'ny nPerf.
Eny tokoa, mamela ny fanarahana ny fanapariahana 5G manerantany, miaraka amin'ny fiheverana ny kalitaon'ny fandrakofana mifandray amin'izany.
Na izany aza, marihina fa ny faritra sasany izay nahitana 5G dia tsy voatery hisokatra eo amin'ny ara-barotra. Mialohan' izany, ny fanandramana ara-teknika dia afaka ataon'ireo mpandraharaha sy ireo nifampiraharaha taminy. Raha mila tsipiriany misimisy kokoa momban'ny fandrakofan'ny 5G ataon'ny mpandraharaha, jereo ny sarintan'ny nPerf taloha.

Mikasika ny fanangonana fandrefesana 5G, dia natao mitovy amin'ny teknolojia teo aloha nataon'ireo mampiasa App, kanefa ireo mampiasa dia tsy maintsy manana finday ary karatra SIM 5G mifanaraka aminy… Ireo fandrefesana ireo dia notanterahina tamin'ny toe-javatra tena izy, izay teny ifotony. Raha te handray anjara amin'ny fampiroboroboana ity sarintany 5G nPerf ity ianao, ny zavatra ilainao atao dia mila manana finday ary karatra SIM mandeha 5G, avy eo mampiditra ny programa nPerf amin'ny findainao. Arakaraka ny habetsaky ny fanangonana, dia vao mainka ho feno ny eo amin'ny sarintany!